![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/89/Anthony_Abbot_by_Zurbaran.jpeg/640px-Anthony_Abbot_by_Zurbaran.jpeg&w=640&q=50)
Antôniôsy Lehibe
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Antôniôsy Lehibe, izay antsoina hoe Antôniôsy avy any Egipta na Antôniôsy Mpitoka-Monina na Antôniôsy avy any an-tany efitra, dia monka na moanina heverina fa rain' ny fitokana-monina kristiana. Fantatra amin' ny alalan' ny fitantarana nataon' i Atanasiôsy avy any Aleksandria tamin' ny taona 360 ny fiainany. Teraka tamin' ny taona 251 izy ary maty tamin' ny taona 356 tamin' ny faha-105 taonany, teo am-pelantanan' ny mpianany roa, dia i Makariôsy Zokiny (na Makariôsy avy any Egipta)[1] sy i Amatasy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/89/Anthony_Abbot_by_Zurbaran.jpeg/640px-Anthony_Abbot_by_Zurbaran.jpeg)