Ampanabaka
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Ampanabaka na Farivola na Fanarivoana dia foko ao amin' ny vondrom-poko antemoro, ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Vatovavy-Fitovinany. Talohan' ny fikomiana nataon' izy ireo (taona 1883 sy 1894) dia olon-tsotra izy fa tsy andriana na andevo. Taorian' izany fikomiana izany dia nanana ny mpanjakany koa ny Ampanabaka fa tsy niankina amin' ny Anteony. Fidina ny mpanjakan' izy ireo. Izy ireo no maro an' isa raha ampitahaina amin' ny foko antemoro hafa.
Mizara zana-poko na firazanana maro ny Ampanabaka, dia:
- ny Antesalo,
- ny Antevohitrindry
- ny Antemanasara,
- ny Tsimalazo,
- ny Vohipataka,
- ny Antemainty,
- ny Antefotsy,
- ny Antevolamena,
- ny Langibe,
- ary ny Antemasiry.