I Amôsa na Amôsy dia mpaminanin' i Israely voalaza ao amin' ny Baiboly, izay niasa tamin' ny andron' i Jerôbôama II mpanjakan' i Israely sy tamin' ny andron' i Ozia mpanjakan' i Jodà, izany hoe tamin' ny taona 750 tal. J.K. any ho any. Talohan' ny naha mpaminany azy dia mpiandry ondry tao amin' ny tanàna kely atao hoe Tekoa, akaikin' i Jerosalema, ao amin' ny Fanjakan' i Joda tany atsimo izy, nefa naminany tany amin' ny Fanjakan' i Israely tany avaratra. Nitsikera ny zavatra nataon' ny mpanan-karena sy ny mpihatsaravelatsihy ary ny mpanompo sampy izy tamin' ny asa faminaniana nataony. Izy no ataon' ny lovantsofina jiosy ho nanoratra ny Bokin' i Amôsa.ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly.

Thumb
Ny mpaminany Amosa, sary rosiana tamin'ny taonjato faha-18.

Ny anarany

Atao hoe עָמוֹס /ʿĀmōs i Amôsa na Amôsy amin' ny teny hebreo.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.