Ny Aja dia vondrom-poko any amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Benîno sy amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Tôgô. Araka ny lovantsofina am-bava, ny Aja dia nifindra monina nankany amin' ny tapany atsimon' i Benîno tamin' ny taonjato faha-12 na faha-13 avy any Tado eo amin' ny ony Mono, ary tamin' ny manodidina ny taona 1600 dia nisy telo mirahalahy, i Kokpon sy i Do-Aklin ary i Te-Agbanlin, izay nizara ny fanapahana ny faritra nonenan' ny Aja tamin' izy ireo: nalain' i Kokpon ny renivohitra Ardra Lehibe, nanjaka tamin' ny Fanjakan' i Allada; nanangana ny tanànan' i Abomey, izay lasa renivohitry ny Fanjakan' i Dahomey taty aoriana, i Do-Aklin; ary i Te-Agbanlin dia nanangana an' i Ardra Kely, fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Ajatche, izay nantsoin' ny mpivarotra Pôrtogey hoe Porto Novo tatỳ aoriana, sy ny renivohitr' i Benîno ankehitriny.

Miisa 1 280 000 eo ho eo ny Aja amin' izao fotoana izao, ka ny 1 090 000 ao Benîno ary ny 190 000 ao Tôgô. Ny Aja dia miteny amin' ny fiteny aja na ajagbe.

    Wikiwand in your browser!

    Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

    Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

    Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.