Adama sy Eva
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Adama sy i Eva, araka ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly sy ao amin' ny Soratra Masin' ireo fivavahana abrahamika hafa, dia ireo olombelona roa voalohany noforonin' Andriamanitra teto ambonin' ny tany, izay razambe nitaranaka ny olombelona rehetra. Ny fahotan' izy mivady no niteraka ny fahasahiranana sy ny fahafatesan' ny olombelona.