Ramadany
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Ramadany dia volana fahasivy ao amin' ny tetiandro mozilmana na tetiandro silamo. Io ihany ny anaram-bolana hita ao amin' ny boky Kor'any. Ho an' ny Mozilmana dia io no volana tsara sy masina indrindra satria io no volana anaovana fifehezana, indrindra ifadian-kanina (arabo: sawm) amin' ny andro fa tsy amin' ny alina, sady ahitana ilay atao hoe Laylat al-Qadr ("Alin' ny Lahatra"). Avy amin' ny teny arabo hoe رمضان / ramaḍān ny teny nogasina hoe ramadany. Ny volana Sabàny (Sha'bane) no eo alohany ary ny volana Saoaly (Shawwal) no manaraka azy.
Ny fifehezana (anisan' izany ny fifadian-kanina) amin' ny volana Ramadany dia iray amin' ny fototra na andry dimin' ny finoana silamo. Mandritra io volana io ny Mozilmana feno taona salama tsara, araka ny firehana silamo maro, dia tsy tokony hihinana na hisotro na hifoka na hanao firaisana ara-nofo mandritra ny fotoana eo anelanelan' ny mazava atsinanana sy ny filentehan' ny masoandro.
Ny fifadian-kanina manomboka amin' ny maraina ka hatramin' ny filentehan' ny masoandro dia فرض / fard ("tsy maintsy atao") ho an' ny Mozilmana feno taona rehetra, afa-tsy ireo izay marary mafy sy marary maharitra, na any am-pandehanana lavitra, na be taona, na mampinono, na voan' ny diabeta, na tonga fotoana. Ny sakafo alohan' ny maraina dia antsoina hoe سحور / suhur, ary ny fisakafoanana isan' alina izay mampiato ny fifadian-kanina dia antsoina hoe افطار / iftar. Na dia efa nivoaka aza ny فتوى / fatawa manambara fa ny Mozilmana mipetraka any amin' ny faritra misy masoandro mamatonalina na alina any amin' ny tendrontany dia tokony hanaraka ny fandaharam-potoana any Meka, fanao mahazatra ny manaraka ny tetiandron' ny firenena akaiky indrindra ahafahana manavaka ny alina amin' ny andro.
Volan' ny falala-tanana ny Ramadany, satria amin' ny fifaranany dia mizara ho an' ny mahantra ny mpino, izany no atao hoe zakât al-fitr. Volana ahatsiarovana zava-niseho maro teo amin' ny tantaran' ny finoana silamo koa ny Ramadany. Manokan-tena ho amin' ny vavaka صلاة / salat sy ny fianarana ny Kor'any koa ny Mozimana amin' io fotoana io. Ny valisoa ara-panahy (ثواب / thawab) amin' ny fanaovana fifadian-kanina dia inoan' ny Mozilmana fa mitombo mandritra ny Ramadany.
Ny Laylat al-Qadr ("Alin' ny Lahatra"), izay heverina ho alina masina indrindra amin' ny taona, dia fahatsiarovana ankalazaina mandritra ny iray amin' ireo folo andro tsy ankasa farany amin' ny volana. Tamin' io alina io no voalaza fa nanambaran' ny arkanjely Gabriela (Jibril) ny Kor'any tamin' ny mpaminany Mohamady.