Jeôgrafian' i Okraina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny jeôgrafian' i Okraina dia andalinana ny tanim-pirenen' i Okraina, izay firenena any Eorôpa Atsinanana, manana morontsiraka any atsimony eo amin' ny Ranomasina Mainty, mizara sisin-tany amin' i Rosia any atsinanana, amin' i Bielôrosia any avaratra ary amin' i Pôlônia, i Slôvakia, i Romania, i Hôngria, i Môldavia any andrefana. Ny velaran' i Okraina dia 603 700 km2, izay mahatonga azy io ho firenena faharoa lehibe indrindra any Eorôpa aorian' i Rosia.
Lemaka midadasika misy tany mainty lonaka ny ankabezan’ ny tanin' i Okraina. Manerinerina any andrefana ny Tandavan-tendrombohitra Karpatiana. Any atsimo, ny Saikinosy Krimea izay manasaraka ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasin' i Azov. Ny renirano lehibe ao amin' io firenena dia i Dniepr, i Dniestr, i Danube, i Donets ary i Bug Atsimo izay samy mikoriana mianatsimo any amin' ny Ranomasina Mainty.