Fiainan-tsy hita
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiainan-tsy hita na fitoeran' ny maty dia toerana misy ny olona na ny zavamananaina hafa aorian' ny fahafatesanan araka ny finoana sy ny fivavahana maro. Amin' ny heviny mifintina dia toerana anasaziana mandrakizay ny olona voaozona ny fiainan-tsy hita (ka atao hoe helo na afobe koa).
Ny foto-pampianarana sy ny tenim-pinoana ao amin' ny fivavahana mônôteista momba ny fisian' ny fiainan-tsy hita dia nateraky ny foto-kevitra mitaky ny fanamarinana ny fahamarinan' Andriamanitra amin' ny fitsarana, izay misy ifandraisany amin' ny fahatsapan' ny olona ny fisian' ny asa sy toetra ratsy izay tsy nahazo sazy ampy nandritra ny fiainan' izay nanatanteraka izany asa ratsy izany na nanana izany toetra ratsy izany.
Niely tamin' ny Andro Taloha sady hita amin' ny ankamaroan' ny fivavahana eto amin' izao tontolo izao ny finoana ny fiainan-tsy hita. Ny famaritana ny fiainan-tsy hita dia miovaova arakaraka ny fivavahana ary indraindray anaovana fivoasana samihafa ao amin' ny fivavahana iray. Ao amin' ny bodisma, ohatra, dia toetran' ny fanahin' ny olona itambesaran' ny faniriana sy ny fahamaizam-po ny fiainan-tsy hita.