Fankalazana ny Fiakaran' i Jesoa
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fiakaran' i Jesoa na Fiakaran' i Jesosy na Fiakarana fotsiny na Andro niakarana dia fety kristiana ahatsiarovana sy ankalazana ny niakaran' i Jesoa Kristy any an-danitra efapolo andro aorian' ny Paska ary folo andro alohan' ny fankalazana ny nilatsahan' ny Fanahy Masina, dia ny Pentekôsta. Manamarika ny fihaonana farany teo amin' i Jesoa sy ireo mpianany taorian' ny fitsanganany tamin' ny maty izany. Famantarana ny fomba vaovao anatrehan' i Jesoa Kristy, izay tsy ho hita intsony ara-batana eto amin' ity tontolo tsapa ity ny Fiakaran' i Jesoa. Mialoha lalana ny fiainana mandrakizay ho an' ny Kristiana izany.
Ny Alakamisin' ny andro niakarana dia ankalazaina eo anelanelan' ny 30 Avrily sy 3 Jona ho an' ny fiangonana manaraka ny tetiandro gregôriana. Ny nifidianana ny andro Alakamisy dia fanarahana ny voalaza ao amin' ny Filazantsara (Marka sy Lioka) sy ny Asan' ny Apôstôly (Mar. 16.19; Lio. 24.51; Asa 1.2), nefa misy ny fiangonana izay misafidy ny andro Alahady manaraka an' io.