Ellen Gould White
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ellen Gould White dia vehivavy kristiana amerikana nandray anjara tamin'ny fanorenana ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito, niaraka amin'i James White vadiny sy i Joseph Batese. Teraka tamin'ny 26 Novembra 1827 sy maty tamin'ny 16 Jolay 1915 izy. Izy no mpitari-dalana ara-panahin'io fiangonana io, mpifoha, mpitory teny, mpamita iraka (misionera) no sady mpanavao fiangonana niandany amin'ny fanohanana ny fiainam-pianakaviana sy ny fanabeazana ary ny fahasalamana. Tsy mba lasa mpitodra fiangonana tao amin'ny Fiangonana adventista izy.
Nandritra ny 70 taona nanaovany ny asa fanompoana dia nahasoratra boky miisa 26 sy lahatsoratra an-gazety miisa 5000 i Ellen White. Natokany indrindra tamin'ny fiainana ara-panahy kristiana ny asa sorany, indrindra tamin'ny fiavian'i Kristy fanindroany. Nanoratra momba ny fiainana andavanandro kristiana sy momba ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fanabeazana ary ny fahasalamana izy.
Nandray anjara betsaka tamin'ny fandaminana sy ny fampielezana ny Fiangonana adventista maneran-tany ny asa soratra sy ny fidirana an-tsehatr'i Ellen G. White. Toraka izany koa ny fananganana trano sekoly sy oniversite ary trano fitsaboana maneran-tany. Ny Adventista dia miaiky ny maha ara-paminaniana ny asa fanompoana notanterahin'i Ellen G. White, tamin'ireo fahitana miisa manodidina ny 2000. Noho izy tsy niala tamin'ny fotokevitra protestanta dia nanentana ny mpamaky azy izy mba hanorina ny finoany amin'ny fijoroana vavolombelona hita ao amin'ny Baiboly irery ihany.