Dravidiana (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Dravidiana dia vahoaka tsy Ariana sy tsy Himalaiana any India, izay miteny dravidiana. Miisa 30 ny fiteny dravidiana voaisa, izay tetenin' ny olona miisa 250 tapitrisa any ho any. Ny ankamaroan' ireo fiteny ireo dia tenenin' ny olona ao amin' ny tapany atsimon' ny Saikanosy Indiana, afa-tsy fiteny roa any avaratra, dia ny fitenin' ny Brahoy any avaratra-andrefana sy ny an' ny Koroky sy Maltô any avaratra-atsinanana. Misy mpiteny dravidiana koa ny any Srilanka, dia ny fiteny tamily. Ny foko dravidiana maro anisa indrindra dia ny Telogo, ny Tamily (na Tamoly), ny Kanadiga ary ny Malaialy, izay misy olona 30 hatramin' ny 70 tapitrisa isanisany. Misy koa ny foko madinika maro izay mahatratra 1 hatramin' ny 5 tapitrisa isanisany any Pakistàna sy ao amin' ny faritra afovoan' i India.