Charles I
From Wikipedia, the free encyclopedia
Charles I dia mpanjakan' i Angletera sy Ekôsy ary Irlandy nanomboka tamin' ny taona 1625 hatramin' ny namonoana azy tamin' ny taona 1649. Teraka tamin' ny 19 Nôvambra 1600 tao Dunfermline ary maty ny 30 Janoary 1649 tao Lôndôna izy.
Charles I | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Charles I | ||
Teraka | 19 Novambra 1600 | ||
Maty | 30 Janoary 1649 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Fanjakana Mitambatra | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Hatramin' ny nanombohany nanjaka dia nifanandrina tamin' ny Antenimieran' i Angletera i Charles I mba hampitomboany ny fidiram-bolany, nefa ny Antenimiera kosa dia nanao izay hamerana ny zo aman-tombontsoan' ny mpanjaka izay noheverin' ny mpanjaka ho zo avy amin' Andriamanitra. Ny fitsabahany tamin' ny raharaha ara-pivavahan' ny Fiangonan' i Angletera sy ny Fiangonanr' i Ekôsy, sy ny fisonondrotany ny hetra tsy nisy ny fankatoavan' ny Antenimiera dia tsy neken' ny mpitory teny prôtestanta sasany izay nihevitra azy ho mpanjaka tsy refesi-mandidy sy mpanao jadona.